Actualités

Ady amin’ny fanararaotana ara-nofo Mampitombo traikefa ireo mpitandro ny filaminana


  • Talata 05 Aprily 2022

Tsy afaka miala amin'ny fandrosoan'ny teknolojia isika eto Madagasikara ary indrindra amin'ny fampiasana ny aterineto.

Misy ny lafiny tsara hampiasana izany saingy misy ihany koa ny lafy ratsiny ary manimba ny tanora ka anisan'izany ny fanararaotana ara-nofo mianjady amin'ny ankizy izay miseho amin'ny endrika samihafa. Manoloana izany dia misy ny seminera hatrehan'ny mpitandro ny filaminana karakarain'ny Francopol izay haharitra 4 andro, nanomboka omaly. Hisy ny fifanakalozan-kevitra eo amin'ny mpitandro ny filaminana malagasy sy ireo manam-pahaizana avy any ivelany amin'ny fomba tokony atao hiadiana amin'ny herisetra manoloana ny fivoaran'ny teknolojia. Tonga nanatrika ny fotoana moa ny Ambasadaoro Frantsay sy Soisa ary ny Ambasadaoro solotenan'ny OIF eto anivon'ny ranomasombe Indianina. Nanokatra ny fotoana kosa ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka niaraka tamin'ny Sekretera Jeneraly miadidy ny Zandarimariam-pirenena. Antenaina fa hampitombo ny fahaiza-manaon'ny mpitandro filaminana malagasy ny sehatra toy izao ary hisy vokany amin'ny fiarovana ny ankizy manoloana ny karazana herisetra.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fifampizarana traikefa notanterahina omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT