Actualités

Ady amin’ny afo Andraikitry ny olompirenena rehetra, hoy ny INDRI


  • Alatsinainy 31 Oktobra 2022

Ravan’ny afo ny alan’i Madagasikara, hoy ny INDRI na ‘’Initiative pour le développement, la restauration écologique et l’innovation”,

izay rafitra miady amin’ny mpanimba tontolo iainana eto amintsika. Manoloana izany loza izany, hoy izy ireo, dia tianay ny mampahatsiahy fa ny ady amin’ny afo dia andraikitry ny olompirenena tsirairay. Tamin’ny taona 2021 ny tetikasa “Alamino’’, izay tarihin’ny INDRI, dia nanolotra fepetra miisa 12 iadiana amin’ny afo, izay mifototra amin’ny singa miisa 4 mafonja. Manoloana ny zava-misy ankehitriny dia zarainay indray ireo fepetra ireo. Manetsika sy mandrindra ireo mpisehatra amin’ny fananganana ivontoerana nasionaly aro afo miandraikitra ny fampivondronana ny mpisehatra sy ny vaovao na “torohay sy angom-baovao” hahafahana mandrindra ny asa amin’ny famerenana sy fanetsehana ny komity maharitra miady amin’ny afo, indrindra, ireo mipetraka eny amin’ny faritra saropady, ahitana doro ala tsy voafehy. Eo koa ny fepetra amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpitandro ny filaminana mba hanara-maso sy hanampy amin’ny famonoana ny afo, hampanaja ny lalàna velona sy hiaro ireo mpisehatra miady amin’ny afo. Misy amin’ireo fepetra ireo moa no noraisin’ny governemanta. Ohatra amin’izany ny fametrahana ny «Centre de Coordination et d’Opérationnalisation» (CCO) izay miady amin’ny afo. Zava-dehibe ny hoe tsy tokony ho voafetra mandritra ny vanim-potoanan’ny afo ihany ny fiasan’io rafitra io. Ny ankamaroan’ny hetsika iadiana amin’ny afo dia tokony voafaritra mialoha, mandritra ny taona ary indrindra fa alohan’ny vanim-potoanan’ny afo, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT