Tsy mahalany 4 tapitrisa dolara akory isika dia tokony hahafehy tanteraka ny valala fa tsy ilana 20 tapitrisa dolara izany.
Io no nambaran-dRado Ramparaoelina, mpanamory fiaramanidina madinika, manana traikefa manokana tamin’ny famonoana ny valala teto an-drenivohitra sy tany amin’iny faritra Atsimo iny, tamin’ny taona 1999-2000. Mpanamory fiaramanidina tao amin’ny TAM na “Tous Travaux Aériens” i Rado Ramparaoelina tamin’izany fotoana nandritra ny fahazoan’ity kaompania iray ity ny tolo-bidy niaraka tamin’ny SONAVAM. Tsy betsaka noho ny tamin’ny taona 1999-2000 ny valala misy amin’izao fotoana. Nofy ririnina raha ny famongorana azy no tanjona fa ny fanenana ny isany no azo atao. Araka ny fanazavany ihany dia tamin’ny lafiny simika no namonoana ny valala ka nampiasana ny fanafody antsoina hoe : “fipronil”.
Anisan’ny vahaolana tsara ihany koa anefa hoy izy ny fanomezana fitaovana toy ny harato ny olom-pirenena feno taona rehetra amina toerana iray mba hamandrihana ny valala hisorohana ny mety ho fahafatesan’ireo karazam-biby hafa toy ny lolo sy ny tantely. Araka ny nambaran’ity mpanamory ity dia fiaramanidina kely Piper Aztec miisa efatra no nampiasan’izy ireo tamin’izany ka ny fiaramanidina iray mahazaka ranom-panafody 200 kg. Raha izany rehetra izany no halalinina dia ny ady amin’ny valala ambony latabatra no tena lafobe fa ny ankoatra izay tsy dia olana loatra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.