Handeha irery amin’izay ny fanjakana manoloana ny ady hatao amin’ny valala eto amintsika. Hifarana ny 30 jona ho avy izao mantsy ny fiaraha-miasan’ny FAO amin’ny fitondrana rehefa naharitra telo taona.
Mitohy hatrany anefa ny ady, hoy ny sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny fambolena Randrianaritiana Serge Pierrot. Efa 100 taona mantsy no nisy foana ny valala teto amintsika, antony nanosika azy ireo hanatanteraka atrikasa mandritra ny telo andro nentina nandinihina paikady vaovao indray hoenti-miady amin’ny valala. Nisongadina nandritra izany fa hisy ny fitsirihana mialoha hatao amin’ireo toerana ahiahiana manomboka amin’ny fiandohan’ny orana amin’ny volana septambra ho avy io. Avy hatrany dia horarahana fanafody izay faritra mampanahy mandritra izany, amin’ny alalan’ireo ambina ranom-panafody 5 alina litatra mbola eo am-pelatanantsika. Ireo fitaovana navelan’ny FAO rehetra ihany moa no mbola hampiasaina amin’izany raha efa misy ny vola mitentina 4 miliara, natokana amin’izany izay voafaritra ao anatin’ny lalàna mifehy ny fitantanam-bola. Marihina moa fa velaran-tany 2 tapitrisa ha no voatondraka fanafody tao anatin’izay telo taona izay. Mbola misy ambiny 5 alina ka hatramin’ny 1 hetsy ha izany, ho an’ireo toerana any ankodahoda…raha araka ny fanazavana hatrany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.