Actualités

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo Mila fandraisan’andraikitry ny rehetra


  • Alakamisy 14 Jolay 2016

Iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo ny 47%-n’ny zaza latsaky ny 5 taona eto Madagasikara. Maro ny ezaka efa natao saingy tena mbola ambony io taha io.

 

 Asa goavana ary tsy maintsy hifandrimbonana ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ka voakasika mivantana amin’izany ny minisiteran’ny fahasalamana, fambolena sy fiompiana, rano eo koa ny Bngrc. Ny faritra Atsimo Andrefana sy Androy no anisan’ny tena voa mafy amin’ny resaka tsy fanjarian-tsakafo, mety mahatratra 60% mihitsy ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo amin’ny kaominina sasany any amin’ireo faritra roa ireo. Ankoatra ny toe-tany sy ny toetr’andro dia nanampy trotraka ny fahasahiranan’ny olona any atsimon’ny nosy sy nampitombo ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo ilay tso-drivotra mafana el-nino tamin’ity taona ity, araka ny fanazavana voaray omaly teny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina nandritra ny fanamarihana ny androm-pirenena momba ny sakafo. Mila fifanomezan-tanana sy fandrindrana ny asa ho fiahiana ny fiainan’ny zaza, araka ny teny filamatry ny nosafidiana  tamin’ity taona ity. Miara-miasa akaiky amin’ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka toa ny banky iraisam-pirenena mba hanatrarana ny tanjona ny ofisim-pirenena momba ny sakafo (ONN).


Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT