Zaza sy ankizy miisa 300.000 tamina sekoly miisa 1.300 no nisitraka sakafo tamin’itony antsoina hoe “cantine scolaire” itony tany amin’iny faritra atsimon’ny nosy iny.
Izy ity moa dia tafiditra ao anatin’ny tetikasa momba ny fanjarian-tsakafo iarahan’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana momba sakafo sy ny minisiteran’ny mponina ary ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Mbola tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asan’izy ireo ho an’ny taom-pianarana 2015-2016 izy io. Mety ho ny antsasak’izay vita tamin’ity taona ity ihany no ho tratra amin’ny taom-pianarana ho avy, izay hanomboka ny volana oktobra 2016. Izany hoe, mety ho eo amin’ny sakafo miisa 150.000 eo ihany no hozaraina. Mba hahafahana mampitohy araka ny tokony ho izy ity fandaharan’asa ity anefa dia manodidina ny 6,9 tapitrisa dolara no teti-bola ilaina ho an’ny taom-pianarana 2016-2017, hoy ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny mponina.
J.M
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.