Fanamby lehibe noraisin’ny fanjakana malagasy ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Tsy nandamoka ireo drafitrasam-panjakana, misy ny efa vita fa mbola betsaka anefa ny ezaka tokony hatao mba hahatomombana ny fanjarian-tsakafo eto Madagasikara.
Anisan’ny olana lehibe atrehin’ny firenena maro amin’izao taonjato izao ny tsy fanjarian-tsakafo. Mahatratra 47,3 % ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka eo amin’ny zaza latsaky ny dimy taona eto Madagasikara. Efa sokajiana ho olan’ny fampandrosoana ny tsy fanjarian-tsakafo eto amintsika ka nandray fepetra ny fitondram-panjakana nametraka ny Foibem-pirenena ho an’ny Fanjarian-tsakafo na ONN tamin’ny taona 2004. Natsangana mba handrindra sy hanara-maso ny fanatanterahana ny asa rehetra entina miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny ONN.
Anisan’ny nifantohan’ny ONN ny fampanarahana ireo asa rehetra ataon’ny mpiara-miombon’antoka ny « politique nationale de la nutrition » na PNN. Io PNN io no fefy nifehy ny asa sy hetsika rehetra nentina niadiana tamin’ny tsy fanjarian-tsakafo tao anatin’izay folo taona izay. Fitaovana nentina nampiasaina tamin’izany ny drafitrasam-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo andiany voalohany sy faharoa. Tonga amin’ny fahataperany ireo drafitrasa ireo ankehitriny.
Rivo-pivoarana
Noho ny fivoaran’ny toetr’andro sy ny fampimirana lenta ny drafitrasam-panjakana amin’ny fehin-kevitra entina miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia efa miroso amin’ny famolavolana sy ny fampivoarana ireo fitaovana ireo ny ONN sy ny mpiara-dia rehetra aminy ankehitriny. An-dalana, araka izany, ny dinika rehetra entina hampirindrana ny PNN sy ny drafitrasa mifanaraka aminy.
Sarotra ary misandrahaka ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo satria mifandray sy mifampiankina amin’ny sehatr’asa maro toy ny fambolena, ny fiompiana, ny fahasalamana, ny fahadiovana sy ny fidiovana, ny fampianarana, ny serasera … Anisan’ny fanamby iandraiketan’ny ONN ny fandrindrana ny asa ataon’ireo sehatra ireo ho an’ny fanjarian-tsakafo. Mitohy ny asa ary misy anjara andraikitry ny tsirairay avy ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.
Ramano
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.