Ady amin’ny tsy fahaizana mamaky teny

> Hosokafana ny lalampiofanana “Alphabétisation”


  • Alatsinainy 09 Septambra 2013

Farafangana, renivohitry ny faritra Atsimo Atsinanana no nampiantrano ny fankalazana nasionaly ny andro iraisam-pirenena ho an’ny famakian-teny sy manoratra omaly 08 septambra. «Alphabétisation pour le 21ème siècle» no lohahevitra nosafidian’ny Unesco tamin’ity taona ity.

Nosafidiana ny faritra Atsimo Atsinanana izay anisan’ireo Faritra dimy mbola ambony ny tahan’ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra. Mahatratra 56,70% izany ao an-toerana. Maro ny ezaka ataon’ny Ministera hanovana izany zava-misy mahonena izany ka anisan’ireny ny fanentanana ny ray aman-dreny hampiana-janaka. Paikady efa an-dalam-pamolavolana koa ny fanokafana lalampiofanana miompana amin’ny fampianarana mamaky teny eny anivon’ny anjerimanontolo, hoy ny Minisitra Manoro Régis nandritra ilay lanonana. Nasiany tsindrim-peo koa ny fifamenoan’ny fanabeazana manara-drafitra sy ny fanabeazana malala-drafitra izay manampy tokoa ireo ankizy tara vao miditra sekoly. Raha 6 hatramin’ny 10 taona ny ankizy no miatrika ny ambaratonga voalohany amin’ny rafi-pampianarana ara-panjakana dia ireo 11 hatramin’ny 15 taona no tena raisin’ny sekoly mampihatra ny fanabeazana malala-drafitra. Araka ny fanazavan’ny Minisitra moa dia misy ankizy 1.650.000 tsy mbola nanitsaka ny tokonan-tsekoly mihitsy amin’izao ka misy ny hetsika hatao mba hanenana 10% isan-taona azy ireo. Ny tale misahana ny fampianarana mamaky teny sy manoratra eo anivon’ny Ministeran’ny fanabeazana, Mananjaona Arthur dia manainga ny olom-pirenena sy ny fitondram-panjakana mba hanao soroka miara-milanja hiadiana amin’ity resaka ity izay sakana amin’ny fivelarana ara-tsosialy, ara-kolontsaina ary ny ara-pihariana. Karnavaly manodidina ny tanàna no nisantarana ity fankalazana ity fa nisy koa ny fampirantiana sy kilalaon-tsaina isan-karazany. Nandritra ny lanonana koa no nanomezana ny anarana «Lisea Tata Max» ny lisea ao Farafangana. Fampisehoana nafanain’ny tarika Willy kosa no namarana ny fotoana.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT