Actualités

Ady amin’ny piraty Mitaky ny fananganana ny “Brigade Spéciale” i Max Exception


  • Talata 14 Jona 2011

Samy mitaky ny fametrahana ny sampandraharaha manokana manenjika ireo mpanao piraty avokoa ireo mpanakanto isan-tsokajiny.

Raha vao nitsangana rahateo ny SMS izay sendikan’ireo mpisehatra ao amin’ny tontolon’ny sarimihetsika dia ny fampijoroana io “Brigade Spéciale” io no nangatahany voalohany tamin’ny Talen’ny Police Judiciaire sy ny Lehiben’ny Emmo-Reg izay anisan’ireo vahiny niatrika ny lanonana. Ireto farany izay naneho ny fahavononany hiara-miasa amin’ny fanenjehana ireo mpanao hosoka. Volana maro aty aoriana anefa, tsy mbola misy tohiny ny raharaha. Mampiaka-peo noho izany ny solontenan’ireo mpanakanto sady mpamorona. Ho an’i Max Exception dia toy ny tafika andrefan-tanana ireo mpanao piraty satria “mivandravandra eran’ny tanàna” ka tokony hosamborina avy hatrany. Nasiaka tokoa moa i Max raha nanambara fa “rehefa tsy mahavita mamongotra ireo ny rafitra ankehitriny dia aleo hatsangana ny brigade spéciale”.

Raha ny heviny hatrany dia atao eo ambany fiahian’ny Fiadidian’ny Repoblika ilay “Brigade” mba hitohizan’ny asany hatrany. Manahy mantsy ny tenany sao miato ny asany rehefa miova ny minisitry ny kolontsaina. Manana ny eritreriny momba izay heveriny ho fomba fiasa koa i Max Exception. “Tsy ekeko ny filazana fa ny atidoha mpiketrika ireny piraty ireny no tokony hosamborina aloha fa na ireo mpivarotra lazaina fa mpikarama koa aza satria ireny no mampanankarena ireo atidoha ireo. Efa misy izao ny hologramme ka izay vokatra tsy misy dia raofina avokoa ary samborina izay mpivarotra azy”.

 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT