Actualités

Ady amin’ny Ministeran’ny fahasalamana Mitarika isa 1-0 ny PARAMED


  • Alakamisy 02 Aogositra 2012

Ao anatin’ny disadisan’ny PARAMED sy ny Ministeran’ny fahasalamana ankehitriny noho ny resaka “réquisition” no nivoaka ny didim-pitsarana manome rariny an’i Andriankinana Tsialofana izay lohandohan’ny mpisorona tao amin’ny SISFM sy ny F3N ihany koa

 Omaly no nivoaka ny didim-pitsarana manafoana ny naoty mitondra ny laharana 873 navoakan’ny Ministeran’ny fahasalamana tamin’ny 23 febroary 2011 izay mandefa azy hiasa any amin’ny hopitaliben’Antsiranana. Tsy nanaiky nihazo io toeram-piasany io mihitsy anefa ity mpitarika sendika ity satria aminy dia sazy ankolaka sady fanapenam-bava azy ihany koa no tiana nahatongavana. Hita ho tsy marim-pototra rahateo koa ny antony nanaovana ilay famindran-toerana satria efa misy “kinésithérapeute” roa miasa ao amin’io hopitaliben’Antsiranana io. Raha toa ka nandao ny asany teto Antananarivo anefa i Tsialofana dia lasa vitsy dia vitsy ireo PARAMED manana io fahaizamanao io tao amin’ny toeram-piasany. Nametraka fitoriana izy noho izany ary izao nahazo rariny izao.

Nandritra izay herintaona sy tapany izay dia tsy niasa mihitsy i Tsialofana ary manantena fa hiverina handray ny asany eo anivon’ny HJRA amin’izay rehefa vita ny pitsopitsony ara-taratasy. Raha ny lalàna dia mamoaka naoty vaovao mamerina azy miasa ao amin’ny HJRA ny Ministera. Raha tsy manaraka izay dingana izay ny fanjakana dia lalana iray azony atao ny manatona ny sampandraharaha misahana ny disadisa eo anivon’ny fiadidiana ny Primatiora ka ity farany no manery ny Ministera hamoaka ilay naoty mamerina azy ao amin’ny toeram-piasany taloha. Mandra-piandry izay dia namono baolina iray izany ny PARAMED amin’ny adiny amin’ny Ministeran’ny fahasalamana amin’ny alalan’ity raharaha ity. Andrasana indray izay ho vokatry ny fitorian’izy ireo amin’ilay fanerena miasa.

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT