Manao izay fomba rehetra hampivoarana ny fomba fiasa eny anivon’ny
sampandraharaham-panjakana, mba hialana amin’ny kolikoly sy ny gaboraraka ny BIANCO. Nisy, araka izany, ny fifaninanana fametrahana fenitra arak’asa (mise en place de standard de service) izay nokarakarain’ ity birao miady amin` ny kolikoly ity. Ho an` ny faritra Anòsy, ny Centre Hospitalier de Référence Régionale (CHRR) Anosy no nandrombaka ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanana. Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanamby sy ny tarigetra apetraky profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis, Ministry ny fahalasamam-bahoaka amin’ny ady amin’ny kolikoly, izay laharam-pahamehana imasoan’ny fitondrana ankehitriny izany. Ny teo anivon` ny “Central Fiscal” no nahazo ny laharana faharoa ary ny sampandraharaha misahana ny harena an-kibon` ny tany no fahatelo.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.