Actualités

Ady amin’ny kolikoly Manana paikady ny Boriborintany Voalohahy


  • Zoma 13 Aprily 2012

Ireo vondrom-bahoakam-paritra, izany hoe ny Faritra sy ny Kaominina ary ny Boriborintany no aharasain’ny Bianco fitarainana noho ny kolikoly be indrindra.

 Mahatsiaro tena ho voatondro amin’izany koa ny Boriborintany voalohany eto an-drenivohitra izay mandray olona manan-draharahara 2.000 isan’andro. Vonona hanarina ny tsy mety raha misy izany ary manentana ny mpanjifa hametraka fitarainana amin’ny Bianco ny mpiasa tarihin’ny delege ao an-toerana. Marihina fa nametraka fomba fiasa hanakelezana izay mety ho fakam-panahy ity Boriborintany ity. Voalohany ny fanesorana ireo rindrina manasaraka ny efitra ka samy mifankahita avokoa ireo mpiasa sy ny manan-draharaha izay milahatra. Ao anatin’ny efitra malalaka koa no manao sonia ireo antontan-taratasy 5.000 isa isan’andro ny delege sy ny lefiny roa. Atao hitan’ny besinimaro eny amin’ny toerana fandraisam-bola sy ny atao peta-drindrina ny sandany amin’ny asa rehetra ary eny amin’ny toerana fandraisam-bola irery ihany no mandoa vola. “Ankoatra izay dia vitaina eo no ho eo ny asa raha voaloa ny vola fa tsy ampiandrasana fotoana hialana amin’ilay fakam-panahy”, hoy Rakotomavo Serge, Delegen’ny Boriborintany I. Nambarany fa ny soram-piankohonana irery sisa no tsy vita amin’ny andro anaovana fangatahana hatramin’izao. Manatsara ny fidiram-bola io fomba fiasa io satria mitombo 100% isan-taona ny kitapom-bola hatramin’ny taona 2008. Manana fomba fampirisihana ny mpiasa hazoto hiasa anatin’ny fahamarinana koa anefa ny delege amin’ny alalan’ny fanetsehana ny “caisse sociale”.
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT