Tena efa lalim-paka ny trangana kolikoly misy eto Madagasikara, hoy ny filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalŕmpanorenana Rakotoarisoa Jean Eric.
Asa goavana takian’ny olom-pirenena amin’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly ny fanenjehana tsy misy tahotra na hena-maso ireo sokajin’olona rehetra voaporofo ho mpanao kolikoly, araka ny fanazavany. Miandry vokatra azo tsapain-tanana amintsika ihany koa ireo vahiny mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara. Ilaina amin’ny mpitondra Malagasy tsy an-kanavaka ny finiavana hamongotra ny kolikoly. Dingana voalohany ahatongavana amin’izany ny fahavononan’ireo olom-panjakana isan-tsokajiny hanatontosa ny fanambaram-pananana, anisany ny tenako, hoy ny lehiben’ny HCC. Tsara ihany ny mampahatsiahy fa mpikambana ao amin’ny governemanta 2 amin’ny 31, loholona 2 amin’ny 63, solombavambahoaka 80 amin’ny 151, mpikambana ao amin’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana 8 amin’ny 9 no nanao fanambaram-pananana, araka ny fampitam-baovao farany.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.