Miditra lalina amin’ny ady amin’ny kere any atsimo ry zareo Amerikanina.
Nitsidika ireo distrika efatra tena ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimon’i Madagasikara (Ampanihy, Tsihombe, Ambovombe, ary Amboasary) ny Ambasadaoro Amerikana Michael P. Pelletier sy ny Tale Jeneralin’ny USAID Madagascar, John Dunlop ny faran’ny herinandro teo, mba hanao tombana ny fizotry ny fanampiana hiatrehana ny fahamehana omen’ny governemanta amerikanina. Raha tsiahivina, tsy vao izao ny amerikanina no nitondra ny anjara birikiny amin` ny ady amin` ny kere. Ny volana jolay teo dia nanome fanampiana ara-tsakafo 8.330 taonina ny governemanta amerikanina, tamin’ny alalan’ny USAID, mba hamaliana ny filàna ara-tsakafon’ireo olona maherin’ny 350.000, anisan’izany ireo vehivavy bevohoka sy mampinono miisa 20.500. Ny volana oktobra indray dia famatsiam-bola fanampiny mitentina 2,5 tapitrisa dolara no nomen’ny governemanta Amerikanina ny Programme Alimentaire Mondial (PAM) sy ny UNICEF Madagascar mba hitsaboana ireo zaza latsaky ny 5 taona miisa 64.000 ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo antonony sy mahery vaika. Tsara no manamarika fa ny governemanta amerikanina no mpamatsy lehibe indrindra fanampiana ara-tsakafo ho an’ny faritra atsimon’i Madagasikara. Hatramin’ny taona 2015, nanome vola mitentina 100 tapitrisa dolara ho fanampiana amin’ny hamehana. Na izany aza dia mbola maro ny zavatra tokony hatao hiatrehana ny hamehana any atsimo amin’ity taona ity. Anio maraina dia hihaona miaraka amin’ny Filoha Rajoelina ny masoivoho Amerikanina ary hanao fanambarana lehibe momba ny fanampiana fanampiny avy amin’ny governemanta Amerikanina.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.