Actualités

Ady amin’ny Kere any Atsimo Hahazo famatsiana ara-bola ireo tena sahirana


  • Alarobia 08 Jona 2016

1 140 000 ny olona tratran’ny tsy fahampian-tsakafo any Atsimo, araka ny tatitra navoakan’ny fandaharanasan’ny firenena mikambana momba ny sakafo (PAM) tamin’ny febroary 2016.

 

Tena voa mafy ny 665 000 amin’ireo raha toa ka ao anatin’ny tsy fahampian-tsakafo mbola azo leferina kosa ny 475 000. Efa tena mampatahotra anefa ny toe-draharaha ary vola be manodidina ny 1 miliara dolara no ilaina mba hamahana miandalana ity kere any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara ity, tarehimarika nivoaka taorian’ilay fikaonandoham-pirenena natao tany Ambovombe Androy tamin’ny volana febroary izy io. Fa mandra-piandry ny fivorian’ireo mpamatsy vola aloha dia efa nisy ny vahaolana hita ka hahazo fanampiana ara-bola amin’ny alalan’ilay tetikasa Vatsin’Ankohonana ireo olona tena sahirana any amin’ny faritra Androy. 15  ka hatramin’ny 18 volana no faharetan’ny fanampiana, miara-miasa ao anatin’izany ny banky iraisam-pirenena, ny FID ary ny minisiteran’ny mponina. Fantatra fa isaky ny roa volana no handray vola ireo fianakaviana sahirana. Hanomboka tsy ho ela ity tetikasa vatsin’ankohonana ity ka fianakaviana tsy latsaky ny 39 000 ao anatina faritra 5 no hahazo tombontsoa mivantana aminy. Ny banky iraisam-pirenena moa no mpamatsy vola fototra amin’ity vatsin’Ankohonana ho fanohanana ny fianakaviana sahirana any amin’ny faritr’Androy ity.

RTT


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT