Actualités

Ady amin’ny herisetra Nomen’ny UNFPA 30 000 dolara ny minisiteran’ny mponina


  • Alarobia 27 Jolay 2016

Nanolotra fanampiana ho an’ny minisiteran’ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ny UNFPA, mitentina 30.000 dolara na 88 410 000 ariary.

Teny amin’ny biraon’ny minisiteran’ny mponina eny Ambohijatovo no nanolorana tamim-pomba ofisialy izay natrehin’ny minisitra Onitiana Realy  sy Andriamatoa Mamadou Dicko solontena maharitry ny UNFPA eto amintsika. Ahitana fitaovana maro samihafa io fanampiana io. Anisan’ireny ny kojakoja fanao ao amin’ny birao, ny solosaina sy ny imprimante, panneaux solaires. Hatolotra ny foibem-pitondram-paritry ny mponina sy ireo (CECJ) Centres d’Ecoute et de Conseils Juridiques miisa efatra ireo fitaovana ireo ao anatin’ireo faritra telo lohalaharana tena hiasan’ny UNFPA dia ny Atsimo Andrefana, Vatovavy Fitovinany ary Androy. Tanjona ny hahafahana manatsara hatrany ny ady hatao amin’ny herisetra mahazo ny vehivavy any amin’ireo faritra ireo amin’ny alalan’ny fampitaovana tahaka izao.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT