Mahazo vahana ny herisetra eny anivon'ny fiaraha-monina hatramin'ny nisian'ny valan'aretina coronavirus teto amintsika.
Saika miaina izany avokoa na lahy na vavy, antony hanaovan'ny Ong C for C ezaka manokana amin'ny alalan'ny tetikasa Sahala. Taorian'ireo polisy, sefom-pokontany.... dia mpanao gazety 35 mianadahy indray no nomen'izy fiofanana omaly. Tanjona ny hahaizan'ireo mpanao gazety mandanjalanja ny lahatsoratra havoakany mba tsy hanome vahana ny lahy na ny vavy hanamarina ny herisetra hataony amin'ny alalan'ny vaovao avoaka amin'ny fampahalalam-baovao na an-tsoratra na am-bava na an-tsary. Aorian'izao fiofanana izao dia hiverina hihaona indray ireto mpanao gazety ireto sy ny Ong C for C hanao tomban'ezaka ny fiovana mety hisy vokatry ny fampiofanana nampitaina.
Pati
Legende : ireo namana mpanao gazety niofana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.