Ny sabotsy 18 jona izao no hanatanteraka hetsika famonoana alika mirenireny tsy misy tompony amin’ny fokontany 26 ny ao Mahajanga.
Nozaraina ekipa 6 izy ireo ahitana ny prefektora, ny faritra Boeny, ny sampandraharahan’ny fiompiana, ny fahasalamana, ny fokontany ary ny kaominina. Efa vonona avokoa ny fanafody ahafahana manao io hetsika io ka anjaran’ny kaominina ny manangona sy mandevina ireo alika maty, ny fokonrany no manamboatra lavaka. Ny sampandraharahan’ny fiompiana no mandray an-tanana ny fahandroana ny sakafo misy poizina ka fon’omby no ampiasaina ary mametraka azy amin’ireo toerana izay natokana ho mety ahitana alika mirenireny. Manomboka amin’ny dimy ora maraina ny hetsika ny sabotsy io miaraka amin’ny fanangonana ireo fatin’alika hita eran’ny tanàna. Tsara ny manamarika fa ny 70°/°-n’ny alika ao Mahajanga dia tsy manan-tompo avokoa. Matetika dia mitsoaka ireo tompon’ireo alika rehefa fantany fa avy nanaikitra olona ny bibiny. Ny 01 janoary ka hatramin’izao volana jona izao dia efa tafakatra 310 ireo voakaitry ny alika mirenireny tao Mahajanga ary nanaraka ny fitsaboana ara-dalàna.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.