Actualités

Ady amin` ny famotsiam-bola Mbola lavitra be ny ezaka


  • Alatsinainy 01 Febroary 2021

Endrika maro no isehoan` ny famotsiam-bola eto Madagasikara momba ny

 

 

famotsiam-bola, araka izay nivoitra nandritra ny tatitra nataon` ny tale jeneralin` ny SAMIFIN (Sampan-draharaha miady amin’ny famotsiam-bola sy ny asa fampihorohoroana), Lamina Boto Tsaradia, ny herinandro lasa teo. Nandritra izany tatitra izano no nilazany fa mitentina 5 000 miliara ariary ny vola mihodina eto Madagasikara, izay ahiana ho famotsiam-bola. Tafiditra ao anaitn` izany ny fanodikodinam-bolam-panjakana na ny fanondranana harena tsy ara-dalàna. Raha tsiahivina, niakatra eo amin’ny laharana faha-149 maneran-tany amin’ny tondro momba ny kolikoly i Madagasikara, araka ny antontan’isa navoakan’ny Transparency International ny 28 janoary teo. Niakatra toerana 9 ny firenena Malagasy mitaha amin’ny tamin’ny taona 2019. Teo amin’ny laharana faha-158 amin’ny firenena 190 mantsy isika ny 2019, ary zara raha nahazo naoty 24/100, saingy tsy nifanalavitra tamin’io ny 2020 satria 25/100 na nihatsara aza ny filaharana. Na dia izany aza, mbola sarotra fehezina io ady amin` ny famotsiam-bola io raha ny zava-misy eto amintsika. Endrika iray mateti-pitrangana eo amin` ny famotsiam-bola ny famadihana an` ireo vola azo tamin` ny fandikan-dalàna mankany amin` ny trano sy tany. Miitra hatrany amin` ny fampiasana ny vola any amin` ny fiantohana aina ny famotsiam-bola. Isan` ny sehatra mampiroborobo an`ity asa ratsy ity dia ny tsy fandovan-ketra. Izany hoe ireo tombony azon` ireo olona ireo dia tsy anaovana fanambarana any amin`ny sampandraharahan`ny hetra. Voakasika ihany koa ireny sehatra mikasika ny vokatra fanondrana nahitana fampiasana vola azo tamin` ny fandikan-dalàna toy ny andramena, vatosoa, volamena,sns… Ny “raharaha volamena 73,5 kg” ohatra dia porofo iray mivaingana amin` ny tsy fifehezana ny famotsiam-bola eto Madagasikara. Fandikan-dalàna ao amin`ny fandin-tseranana, fandikan-dlalàna faratampony ny tsy fanambaraba ny entana hoentina, ny fanondranana antsokosoko, fandikan-dalàna faratampony ny varo-maizina tsy mampidi-bola ho an`ny Fanjakana. Na ny BIANCO (Birao mahaleontena miady amin’ny kolikoly) aza dia iarahana mahalala fa voafetra ny fahefany ka tsy afaka tonga dia misambotra toa ireo polisy sy zandary raha misy ny fitoriana ka hanao fanadihadiana. Toa izany koa ny Samfin(sampandraharaha miady amin’ny famotsiam-bola sy ny fampihorohoroana). Lava dia lava ny làlana aleha vao afaka misambotra olona iray manao kolikoly fa indrindra ireo mpitondra ambony sy ny mpiasam-panjakana ambony izay voarohirohy amin’izany.

 

 Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT