Mifototra amin’ny olana amin’ny tsy fananana asa marim-pototra sy ny fitsinjarana mitanila ireo harem-pirenena eo amin’ny samy Malagasy no mampitarazoka ny fahantrana eto Madagasikara.
Efa an-taonany maro no nihodinkodina teo amin’ny 70% teo ny salanisan’ireo mahantra ary sarotra ny hiadiana amin’io toe-javatra io raha tsy misy ny ezaka goavana avy amin’ny tsirairay mba hampiakarana ny harin-karena ho 8%. Raha tratra tokoa mantsy io taha io vao azo ambara fa miteraka akony eo amin’ny lafiny fihariana ara-toekarena ka hampihena ny fahantrana eto Madagasikara izany, araka ny fanadihadiana farany notanterahan’ny Ivontoerana mikirakira ny antontan’isa. Misy mifanohitra ihany anefa ny zava-misy eto amintsika raha ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny INSTAT. Ireo olona mahantra 40% amin’ireo 70,5% izay tsy mandray afa-tsy latsaky ny 535.600 ariary isan-taona dia mihevitra ny tenany tsy ao anatin’io sokajy io. Midika izany fa ho sarotra ny famahana ny olana ara-pahantrana eto amin’ny firenena satria tsy hisy fiezahana mihitsy amin’ireo ampahan’olona ireo hivoaka amin’ny tsy fananana mahazo azy ireo. Tsy voafaritra mazava ihany koa ny salan’isan’ireo sokajin’olona anelanelany izay miovaova be ihany, araka ny fanampim-panazavana. Antony tsy ahitana soritra ny fisondrotry ny harin-karena ara-toekarena eto Madagasikara moa ny tsy fifandanjana eo amin’ireo sehatra telo misy eto amin’ny firenena. Mivangongo ao amin’ny sehatra fifanakalozana ny harin-karena izay tsy misy akony mihitsy any amin’ny sehatra famokarana izay misy ny ampahany betsaka amin’ny mponina eto Madagasikara.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.