Actualités

Ady amin’ny delestazy Hampiditra milina eto ny Frantsay


  • Sabotsy 07 Mey 2016

Milina mpamatsy herinaratra miisa efatra ary milanja 60 taonina isanisany avy no ho tonga eto Madagasikara manomboka anio hoentina manafoana ny delestazy ao amin’ny Jirama.

 

Fitaovan’ny orinasa mpamatsy herinaratra frantsay EDF tao le Port tao La Réunion ireto « turbine à combustion » ireto ka fiaramanidina goavambe Antonov 124-100 izay mahazaka hatrany amin’ny 150 taonina no ho tonga etsy Ivato hitondra ireto fitaovana ireto. Omaly zoma no tonga tatsy amin’ny nosy la Réunion ity voromby vita Rosianina goavana ity ka izy indray no tena nanao fampisehoana tao omaly. Raha ny teo anivon’ny fanjakana malagasy na ny Jirama aloha dia tsy nandrenesam-baovao momba ny fahatongavan’ireto fitaovana lehibe ireto. Ny haino aman-jery atsy amin’ny nosy La Réunion kosa no nahalalana fa orinasa tsy miankina iray no nividy ireto fitaovana ireto ka hampiasa azy eto Madagasikara mba hanafoanana ny delestazy. Ilay tanjona aloha dia mazava fa tsara fa ny mahalasa ny saina sy ny mampametra-panontaniana dia ny hoe hanao ahoana ny ho endriky ny fampiasana izany fitaovana izany eo anivon’ny Jirama izay tsiahivina fa mbola orinasam-panjakana ? Sao sanatria vao mainka hahalafo ny saran’ny herinaratra izany ? Ny tsy fisian’ny mangarahara no tiana hasiana teny eto.

 

Andry Ratovo

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT