Fiara tsy mataho-dalana vitsivitsy ihany aloha hatreto no ampiasain’ny USAD na ilay rafitra manokana natao hamongorana ny asan-dahalo eto Madagasikara.
Raha tsiahivina, volana vitsivitsy izay no natsangana teo anivon’ny tafika malagasy ny “Unité Spéciale Anti-Dahalo” na ny USAD. Io rafitra io dia ivondronana mpitandro ny filaminana miisa 39 lahy izay notsongaina fa manana ny fahafahana sy fahaizana manokana amin’ny famongorana ny asan-dahalo. Fantatra ary ankehitriny fa mbola mitohy ao Mahabo ny fampiofanana ireto iraka manokana ireto ary tsy manana afa-tsy fiara tsy mataho-dalana vitsivitsy ihany izy ireo hoentina hanatanterahana ny asany ankoatra ireo fitaovam-piadiana izay efa eo am-pelatanan’izy ireo. Raha ny fanazavan’ny teknisianina anefa dia tokony hanana angidim-by iray sy irony fiaramanidina fitsikilovana na “Drone” irony ihany koa farafahakeliny ity rafitra ity mialoha ny hanafihany ireo dahalo raha toa ka tiana ny ahita fahombiazana amin’izany ady amin’ny asan-dahalo izany. Hatreto dia mbola mampametra-panontaniana ny finiavan’ireo tompon’andraiki-panjakana amin’ny famongorana ity asan-dahalo izay efa tena maha fadiranovana faritra maro ity. Sa ve mbola hijanona ho tompondaka amin’ny resaka ambony latabatra sy ny fanehoana “maquette” hatrany isika ?
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.