Tsy mbola voasambotra aloha hatramin’izao i Remena bila sy Tokanono, voalaza fa lehiben’ireo andian-dahalo mampihorohoro iny Faritra Anosy iny.
Mbola miriaria any ihany koa i Raopilanina dahalo raindahany mpiara-dia amin’izy ireo. Voalaza fa efa natomboka ny fanafihana, saingy tsy misy aloha hatreto ny vaovao ofisialy avy amin’ny mpitandro filaminana, milaza ny vokatr’izany, toy ny isan’ny omby tafaverina any amin’ny tompony, ny dahalo efa voasambotra, ny isan’ny maty na naratra. Ny fanamarihana azo avy amin’ny mponina ao Tolagnaro dia ny hoe : mifanaretsaka ao an-drenivohitra Anosy ny miaramila. Maro ny famakafakana nataon’ny mpanao gazety no nilaza fa sahirana amin’ity ady amin’ny dahalo indray mitoraka ity, ny miaramila malagasy sy ny foloalindahy amin’ny ankapobeny. Voarefy amin’izao ny tanjaka sy ny fahaizan’izy ireo.
Tsy manavanana azy ireo ny ady anaty akata, na any amin’ny tany mafana. Mazava iny resaka iny, hita ho tsy mbola mahomby ihany koa hatreto ny paikady, fa na dia efa fantatra hatrany am-boalohany aza ny toerana nisy an-dry Remena bila, dia mbola afaka nitsoaka sy nifindra any amina toeran-kafa ihany izy ireo, no sady nanapotika tanàna iray. Maro no efa miteny fa henatra lehibe ho an’ny foloalindahy raha tsy voasambotra mialoha ny 26 jona i Remena bila, satria atao mipoapoaka ny matso sy ny fampiderana fitaovana etsy Mahamasina, kanefa ny dahalo namono miaramila sy zandary mbola mandehandeha any, ary tena manao izay tiany mihitsy. An’arivony ny manamboninahitra eto, an’aliny ny vatamiaramila, kanefa dia sahin’ny dahalo ny mihantsy ady amin’ny fanjakana.
Raha mitombina koa ilay resaka hoe misy olona ambony ao ambadiky ry Remenabila, nahoana no tsy mandray andraikitra haingana ny filohan’ny tetezamita ? Sa ve dia efa tena resin’ny dahalo ambony latabatra koa ny fitondrana, ka aondrana an-tsokosoko daholo ny omby, boaderozy, volamena sy vatosoa. Maro no te hahita an’i Remenabila voasambotra, ka dia hatao fanadihadiana sy hoentina eny amin’ny fitsarana mihitsy izy, mba hahafantarana ny marina rehetra momba ity asan-dahalo ity. Miandry ny hipoiran’ny anaran’ireo dahalo ambony latabatra koa ny olona, ka dia ho hita eo ny ho tohiny e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.