Tsy maharaka ny asany intsony ve ny mpitandro filaminana sa ny vahoaka no toa tsy matoky azy ireo intsony, ka miady irery amin’ny fiarovany ny fananany sy ny ainy ?
Efa am-perinasa tanteraka efa ho roa volana izao ireo “Tantsaha commando” any Manavotra, Kaominina Mandrosonoro, Distrikan'Ambatofinandrahana, izay andian-jatovo matanjaka miisa 300 eo amin'ny Fokontany ihany karamain'ny mponina hiambina ny tanàna sy ny ain'ny olona ary ny ombiny amin'ny asan-dahalo. Misy amin’ireto «Tantsaha commando» ireto no dahalo niova fo, ka mahalala tsara ny momba ny asan-dahalo sy ny fihetsiny rehefa handeha hanafika, na efa avy nanafika ka hitondra ny omby, na koa ny fomba fanao rehefa hiala ny tanàna.
Tao anatin’ny roa volana nisiany dia efa nahitam-bokatra ny finiavan’ireto andiana tanora ireto, satria ny 25 jona lasa teo ireto miaramilam-bohitra ireto dia nahafaty dahalo iray tamin’ireo 24 lahy nanafika tao Manavotra, hoy ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Io loharanom-baovao io ihany koa no nilaza fa efa manana taratasy napetraka any amin'ny zandary ao Mandrosonoro ny Fokonolona ao Manavotra amin'ny fametrahana ny «Commando» ity, ary toy izany koa ny tany amin'ny Kaominina sy ny faritra izay tsy sarotiny. Nomarihan’io loharanom-baovao io fa noho ny fandriampahalemana marisarisa saika isan'andro no antony nandraisan’ny Fokonolona izao fanampahan-kevitra izao ary tsy mitovy amin'ny «Jama» ny fiasan’ity «Commando» ity. Tsy omena volabe ihany koa fa izay ifanarahany amin'ny Fokonolona.
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.