Actualités

Ady amin’ny asan-jiolahy Nankaiza ny “patrouille” ?


  • Alarobia 31 Aogositra 2011

Nilaza ny jeneraly Richard Ravalomanana fa fampihorohoroana ara-tsaina no ataon’ireo mpanipy grenady etsy sy eroa tamin’ny faritra maro teto an-drenivohitra tato ho ato izay, satria misy no mikaroka ny fomba rehetra hanakorontanana ny firenena sy hampisehoana amin’izao tontolo izao fa tsy milamina eto ka tokony handefasana mpampandry tany.

Araka ny nambarany dia tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny tsaho etsy sy eroa amin’ny hoe fanonganam-panjakana na fikomiana any anaty toby miaramila. Ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina, dia niresaka ity toe-draharaha ity koa ny sabotsy lasa teo ary nanamafy fa handray fepetra ary tsy hamindra fo amin’ireo mikasa ny hanakorontana na hanongam-panjakana izany mihitsy ny fitondrana. Matetika ihany koa tao anatin’ny roa herinandro izao ny fivoriana sy fihaonan’ireo tompon’andraiktra ambony amin’ny foloalindahy sy ny mpitandro ny filaminana, ary araka ny tsiliantsofina re dia misy fifandraisany amin’ireo resaka mandeha etsy sy eroa amin’ny fanonganam-panjakana na asa fanakorontanana ireny fivoriana ireny.

Araka ny tsiliantsofina re ihany koa dia misy ireo manamboninahitra efa misotro ronono sy mbola am-perinasa mihaona matetika miresaka ny raharaham-pirenena sy tena andraikitry ny foloalindahy ; any am-ponja ihany koa dia manana ny heviny ireo miaramila sy zandary migadra ary maro amian’izy ireo no tsy faly amin’ny FAT, tsy lavitr’izany resaka izany koa moa, araka ny feo mandeha ihany ny mpanao politika sasany.

Tsy milamina izany ny tany ary maro no mifampiandriandry, tsy marin-toerana ny fitondrana tetezamita ary mitombo isan’andro ireo fahavalony. Ny mahagaga ny olona anefa ary miteraka adihevitra etsy sy eroa dia ny hoe : raha tena misy marina ny manakorontana sy mitady hanao zavatra hafahafa eto, dia nahoana no tsy mihetsika haingana ny mpitandro ny filaminana ka henjehina sy samborina avokoa na, ny irakiraka na ny atidoha mikotrika.

Tsy azo eritreretina mantsy hoe tsy mahalala anarana mihitsy ny mpitandro ny filaminana momba ireny zava-mitranga ireny, koa nahoana no tsy samborina sy alaina am-bavany haingana izay ahiana rehetra dia alamina ny tanàna ? Indraindray tokoa mantsy toa mitatitra ny zava-misy fotsiny ireo tompon’andraikitra fa tsy mandray fepetra hentitra sy mazava hisorohana ny asa ratsy mety hitranga. Azo atao tsara ohatra ny manamafy ny fisafoana (patrouille) na andro na alina amin’ny faritra mena sy ny faritra hafa rehetra. Ao ihany koa ny mahita fa raha mitsongo dia sy mikaroka ireo jiolahy mpisakan-dalana ny miaramila sy ny zandary miaraka dia azo antoka fa hihena ireny asa ratsy eny amin’ny lalam-pirenena ireny, fa nahoana no tsy atao izany, fa ny taksibrosy no tsy avela mandeha amin’ny alina, kanefa amin’ny atoandro koa aza misy misakan-dalana ihany. Tsy ho maro an’isa noho ny mpitandro ny filaminana mihitsy ireo jiolahy, fa mety ny paikady ampiasain’ny manampahefana no tsy ao tsara ka mahatonga ny mpanao asa ratsy afaka migalabona tsara.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT