Actualités

Ady amin’ny asan-jiolahy Hiditra an-tsehatra ny tafika


  • Talata 27 Martsa 2012

Hihetsika ny tafika ka hanampy ny polisy sy ny zandary amin’ny fisahanana ny fametrahana ny fandriampahalemana eto Madagasikara.

 Nanamafy izany, omaly, ny minisitry ny fiarovam-pirenena, ny jeneraly Lucien Rakotoarimasy ary nanambara fa efa vita ny drafitr’asa ary hatolotra tsy ho ela ny filohan’ny tetezamita sy ny praiminisitra. Ny polisy no miandraikitra ny fitandroana ny filaminana an-tanàn-dehibe, ny zandary kosa no any amin’ny faritra rehetra ivelan’ny tanàn-dehibe, ary izy ireo ihany no afaka manolotra ireo olon-dratsy sy jiolahy voasambotra eny amin’ny fitsarana. Fanampiana sy fanohanana fotsiny ihany ny an’ny tafika. Ny zoma 23 martsa teo moa no nilaza i Andry Rajoelina fa hita sy tsapa ny firongatry ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara, koa noho izany dia mila hetsehina ny miaramila hiara-kiasa amin’ny mpitandro ny filaminana mba hiarovana ny vahoaka sy ny fananany ary hamongorana ny asan-jiolahy sy ny forongony.

Nambarany ihany koa fa hisy ny fanampiana sy fanomezana fitaovana ny mpitandro ny filaminana mba hanatanterahany ny asany. Koa manantena izany ny vahoaka fa dia ho hentitra kokoa noho ny natao hatrizay ny fitandroana ny fandriampahalemana satria sady efa nitombo ny isan’ny mpitandro ny filaminana, no mbola hahazo fitavoana hoenti-miasa ihany koa izy ireo. Ny jeneraly Richard Ravalomanana kosa dia mbola nanamafy hatrany fa tsy maintsy miara-miasa amin’ny mpitandro ny filaminana ny vahoaka amin’ity ady amin’ny asan-jiolahy ity, koa rehefa miantso amin’ny telefaonina dia ambara mazava ny toerana misy ny fanafihana, na vaky trano sy ny lalana hahatongavana haingana any. Raha ny tokony ho izy izany, dia ho haingana kokoa manomboka izao ny fanenjehana sy fisamborana ireo jiolahy, ary tokony ho azo tanterahana ihany koa ny fisafoana matetika ireo faritra mena mba hisorohana ny fanafihana sy vaky trano.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT