Actualités

Ady amin’ny asa fampihorohoroana Mila mailo ny rehetra, hoy ny praiminisitra


  • Zoma 05 Aogositra 2016

Miara-miombom-peo amin’ny firenena rehetra manameloka ny asa fampihorohoroana maneran-tany ny fanjakana Malagasy,

  hoy ny praiminisitra, omaly, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tamin’ny lanonam-panokafana tamin’ny fomba ofisialy ilay atrikasa momba ny asa sy ny fiofanana izay natao tetsy amin’ny hotely Colbert Antaninarenina. Tsy tokony handriandry manana aretina isika, fa tsy misy firenena intsony tsy voakasik’io resaka fampihorohoroana iraisam-pirenena io. Tafiditra ao anatin’izany isika Malagasy. Izany indrindra no ezaka hataon’ny fitondram-panjakana miaraka amin’ny mpitandro filaminana ka tsy mampandry andro sy alina azy ireo mba hahafahana miaro ny vahoaka sy ny fananany. Anjaran’ny olom-pirenena rehetra mihitsy, raha ny heviny, no tokony ho mailo sy handray ny andraikitra tandrify azy, indrindra amin’izao ankatoky ny fihaonana an-tampony maromaro hisy eto amin’ny firenena izao, ny tanjona, hoy izy namarana ny teniny, dia ny hahazoantsika tombony ara-toekarena sady hanatsara ny lazan’i Madagasikara.


Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT