Actualités

Administratera sivily maty tao Antanimora Nanameloka ny PAC ny Filohan’ny SYNAD


  • Alakamisy 21 Jolay 2022

Nisy omaly ny horonan-tsary mivantana nataon’i Paolo Raholinarivo Filohan’ny SYNAD (Syndicat des Administrateurs Civils de Madagascar) niainga teny amin’ny Fonjan’Antanimora,

nanehoany sy nampitany vaovao fa maty tao am-ponja ny naman’izy ireo Andrianjafinaivo Lahinirina Edward, Prefen’i Toliara teo aloha, efa Prefe teto Antananarivo, efa Lehiben’ny distrika tany Ambalavao,... Efa roa taona sy tapany no nalefan’ny PAC (Pôle Anti-Corrumption) tany am-ponja, ary maromaro no niara-nidoboka am-ponja noho ny fanaovan-tsonia mikasika fangatahana tany. « Mbola tsy misy didy raikitra, tsy nisy fitsarana, tsy voaheloka ilay olona, tsy notsaraina kanefa dia tao am-ponja hatrany. Tao anatin’ny roa taona sy tapany izay dia narary, ary niankina tamin’ny « dialyse » ny fiainany izany hoe : marary voa. Saika hatao « dialyse » izy ny talata lasa teo, kanefa noho ny pitsopitsony na « procedures » lava be dia tsy tonga tany amin’ny hopitaly, ary izao nitondra azy amin’ny fahafatesana izao », hoy ny Filohan’ny SYNAD. Nambarany fa misy tarazo, misy tsy fihetezany ny pitsopitsony sy ny dingana na « procédures» eto Madagasikara indrindra fa ny ao amin’ny PAC. Nahitsy i Paolo Raholinarivo nilaza fa mahazatra ny PAC ny mandefa olona any am-ponja avy hatrany na « Mandat de dépôt systèmatique » ka na marary ilay olona ka mangataka fahazoan-dàlana hitsabo tena any ivelany (EVASAN) dia tsy mahazo. « Olona babena Ratompokolahy Ndrina mpiara-miasa aminay, tsy afaka handositra ary tsy olon-doza nanao heloka bevava, kanefa dia nohasarotina ny fangatahana EVASAN, ilay olona tsy maintsy manao «dialyse» in-telo isan-kerinandro ». Ny olona tsy tokony ho tafaporitsaka aporitsakareo, fa ny olona tsy manan-tsiny tsy misy didy helohinareo. Tsy ny namanay ihany no lasibatra amin’ity zava-misy ao amin’ny fitsarana ity, fa ny Malagasy rehetra izay voafonja, betsaka ny voafonja tsy manan-tsiny,… Raha ohatra ka diso izahay « Administrateurs Civils » dia mendrika anay ny higadra, fa raha tsy diso kosa tsy mendrika azy ny higadra sy ho faty any am-ponja ka asio fieritreretana, hoy izy. Dokotera vita fianianana no milaza fa tokony hotsaboina, ka tsy tokony hisy ny fandrarana raha ny nambarany.
NIANTSO FANDRAVANA NY PAC
Betsaka loatra ny lasibatry ny PAC sy ny fitsarana satria ianareo manenjika isa hahazoana famatsiam-bola sy « indemnité » ka mieritrereta fa olombelona manan-taranaka ianareo… Raha izaho manokana amin’ny teknisianina ahy, dia tokony horavana io PAC io, fa famonoana ny Fonksionera tsy manan-tsiny, fanenjehana fonksionera,… Iza aminareo mpanao kolikoly ao amin’ny Fitsarana no migadra ? Satria ianareo Andriamanitra dia tsy migadra ? hoy i Paolo Raholinarivo. Andrasana izay mety ho setriny avy amin’ny PAC mba tsy hisian’ny feon-dakolosy tokana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT