Actualités

Adihevitra momba ny fanaovan-gazety Betsaka ny fanontaniana tokony hipetraka


  • Zoma 29 Aprily 2022

Ao anatin’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fahalalahan’ny fanaovan-gazety dia hisy ny tolakandron’ny 3 may hoavy izao, manomboka amin’ny 2 ora,

etsy amin’ny Carlton Anosy ny fiaraha-mitafatafa sy miady hevitra momba ny lohahevitra manao hoe “Ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety miatrika ny tontolo nomerika.” Fiaraha-miasan’ny avy eo anivon’ny holafitry ny mpanao gazety Malagasy na OJM sy ny Friedrich-Ebert-Stiftung moa izy ity, hoy ny fampahafantarana natao. Nomarihina ihany koa fa ady hevitra an-kalalahana no hatao saingy eo dia efa mipetraka sahady anefa ny fanontaniana hoe hatraiza no fetran’izay lazaina ho fahalalahana izay? Hisy ihany koa ny fampitana mivantana ny hetsika amin’ny alalan’ny tambazotran-tserasera Facebookn’ny OJM. Tsiahivina fa raha ny fandaharana farany nataon’ny teo anivon’ny Reporters sans frontieres ho an’ny taona 2021 dia eo amin’ny laharana faha 57 maneran-tany I Madagasikara ary faha 10 aty Afrika eo amin’izay fahalalahan’ny fanaovan-gazety izay, izany hoe, very laharana 3 mitaha amin’ny teo aloha. Heverina fa efa misy azo itarafana ireo fanontaniana goavana tokony hipetraka sahady eo anivon’izay hoe tontolon’ny fanaovan-gazety Malagasy miatrika ny tontolo nomerika izay. Efa zakantsika ve na dia izany adihevitra izany fotsiny aza sa mbola tokony hijery ny lafiny fiveloman’ireo mpanao gazety aloha hoe manao ahoana? Hatraiza ny fahafehezantsika izay tontolo nomerika izay? Manao ahoana ny lafiny famatsiana ireo mpanao gazety manatanteraka ny adidiny na eo amin’ny lafiny ara-bola izany na lafiny ara-pitaovana ?
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT