Actualités

ADER Tery vay manta hiarovana ny fanodinkodinam-bolam-panjakana


  • Alarobia 20 Febroary 2013

Raharaha tsy mety vita ny ao amin’ny ADER na Agence de Développement de l'Electrification Rurale. Manao tery vay manta hanendrena «ordonnateur» vaovao indray ny fitondrana omaly na dia mandika ny lalàna mifehy ity antokon-draharaha ity aza izany.

 Niroso tamin’ny fivoriana ihany ny filankevi-pitantanana omaly mba hankato ny fanendrena ny tale ara-bola sy fitantanan-draharaha (DAF) eo anivon’ny ADER hisahana ny andraikitry ny “ordonnateur”. Tokony ho foana anefa io fivoriana io satria tsy afa-nanatrika izany ny filohan’ilay filankevi-pitantanana, Atoa Rabearimanana Gabriel izay niditra hopitaly nanomboka ny alatsinainy hariva noho ny tsy fahasalamany. Ankoatra izay dia nosakanana teo am-bavahady tsy afaka hanatrika io fivoriana io koa ny Sekretera mpanatanteraka vonjimaika. Raha ny lalàna mifehy ny ADER dia ity farany no manao ny fitanana an-tsoratra ny fivoriana saingy tsy nohajaina izany. Niniana tsy noraharahaina koa ny tsy fahafahan’ny filohan’ny filankevi-pitantanana niatrika ilay fivoriana. Marihina fa tsy vao sambany akory no misy fikasana hametraka “ordonnateur” ao amin’ity antokon-draharaha ity fa efa fanindroany izao. Notendrena tamin’io toerana io tamin’ny alalan’ny didim-pitondrana iraisan’ny ministera ny DAF-n’ny Ministeran’ny Angovo fa nolavin’ny governemanta. Dia izao misisika hanendry ny DAF ao amin’ny ADER izao indray. Mbola fandikan-dalàna koa anefa io kasaina hatao io satria izay lehibe faratampony ao amin’ny ADER ihany no tokony ho “ordonnateur” dia ny Sekretera mpanatanteraka na ny mpisolo toerana azy vonjimaika , araka ny voalazan’ny lalàna nanangana ity rafitra ity.

Tetika maizina

Atoa Hamada Diaure no Sekretera mpanatanteraka vonjimaika ao an-toerana nanomboka tamin’ny volana jona 2012 saingy nolavin’Ambohitsorohitra ny fanendrena azy tamin’ny alalan’ny didim-panjakana na dia nankatoavin’ny filankevi-pitantanana sy ny governemanta aza. Tsy manana fahefana hamoaka vola ny tenany noho izany ary izay no anisan’ny antony tsy andraisan’ny mpiasa karama. Mihevitra i Hamada Diaure fa noho ny fitantanana tsy madio nisy tao teo aloha no tiana hosarontsaronana ka anaovana izao tetika maizina rehetra izao mba hanakanana azy amin’ny asany. Nambarany fa hatramin’ny taona 2004 no ho mankaty dia tsy mbola nametraka “état financier” any amin’ny “Cour des comptes” ny ADER ary tsy mbola nisy koa fanisana sy fanamarinana na “inventaire” natao tamin’ireo fanaka sy fiara fananan’ity antokon-draharaha ity hatramin’izay. Fa ny tena mahavalalanina dia ny nilazany fa mbola nanasonia taratasim-bola mitentina 700 tapitrisa Ariary ho ana orinasa iray ilay Sekretera mpanatanteraka nodimbiasiny iray volana taorian’ny nanafoana ny didy nanendry azy, izany hoe efa tsy manankery intsony ilay soniany raha ny marina, hoy hatrany i Hamada Diaure. Efa samy nanao fanadihadiana tao amin’ny ADER ny IGE sy ny Bianco momba ireo fanodinkodinana ireo saingy tsy hita izay tohiny hatreto. Ampirimina toy ny fitorian’ny profesora Zafy sy ny Tangalamena Zakariasy ity dosie ity sa hotohizana tahaka ny atao amin’ny Pr Tehindrazanarivelo ?

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT