Actualités

ADER Lavin’ny Ministeran’ny angovo ny “Ordonnateur” vaovao


  • Sabotsy 23 Febroary 2013

Mitohy indray ny tantara ao amin’ny ADER, antokon-draharaha misahana ny famatsiana herinaratra eny ambanivolo.

 Namoaka naoty mitondra ny laharana 24/MdE/sg Ranaivoson Andriambala, Sekretera jeneralin’ny Ministeran’ny angovo ny 20 febroary izay manafoana ny fanapahan-kevitra rehetra noraisin’ny filankevi-pitantanan’ity antokon-draharaha ity tamin’ny fivoriany ny 19 febroary teo. Noho ny fandikana ny lalàna mifehy ny ADER no anton’izany. Noho ny tsy fahasalamany dia tsy afaka nitarika ilay fivoriana natao ny 19 febroary ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny ADER sady norarana tsy hanatrika io ihany koa ny Sekretera mpanatanteraka vonjimaika izay tokony hanao ny fitanana an-tsoratra. Na tsy feno aza ny fepetra dia nisisika nanatontosa ilay fivoriana ihany ny filankevi-pitantanana tamin’io andro io ary nanapaka fa ny DAF-n’ny ADER no hatao “ordonnateur”. Ny zokiolona indrindra amin’ireo mpikambana ao amin’ny filankevi-pitantanana no nitarika ny fivoriana ka nisolo ilay filohany marary any amin’ny hopitaly. Rehefa nanamarina ny didim-panjakana 2002-1550 mamaritra ny fitantanana ny ADER ny Sekretera jeneraly dia nahita fa tsy misy andininy milaza fa azo soloina olon-kafa ny filohan’ny filankevi-pitantanana na inona antony na inona . Ambonin’izay dia fandikana ny lalanan’ny ADER koa ny tsy famelana ny Sekretera mpanatanteraka hiatrika ilay fivoriana. Misavoritaka tanteraka izany ny raharaha eo anivon’ny ADER ary raha ny loharanom-baovao azo dia mety hisy fisamborana olona mikasika ity raharaha ity.

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT