Namoaka manamboninahitra 136 indray ny Akademia Miaramila Antsirabe, omaly zoma. Manamboninahitra lefitra avy amin’ny andiany 3 samihafa ireto no navoaka ka ny 63 dia ny andiany mivantana faha 37 nisalotra ny anarana “AVO” izay 6 tamin’izy ireo no vehivavy.
50 kosa ny andiany Iraisam-piadiana faha 19 : “Randrana”, ary 23 ny andiany manokana faha-22 ny “Jeneraly-Dokotera Razafindramboa Hubert Mamy”, izay ireo efa manampahaizana manokana moa no mandrafitra azy ka vehivavy ny iray tamin’izy ireo. 4 tamin’ireto manamboninahitra navoaka ireto moa no teratany Vahiny avy atsy kaomoro. Nandritra ity lanonana ity moa no nitsofan-drano ireo andiany mivantana faha 39 izay nomena ny anarana “HAJA” sy ny andiany manokana faha 22 izay vao hiofana ao indray. Teo ihany koa ny lanonana ara-miaramila ho famindrana ny sabatra ho an’ny andiany faha 38, izay hivoaka amin’ny taona hiditra io. Ankoatra ity lanonana ara-miaramila ity moa dia nisy ny fitokanana ny asa fanavaozana nataon’ny lehiben’ny sekoly, toy ny fanitarana ny “sale d’honneur”, sy ny kianjan’ny mpianatra ho manamboninahitra. Ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina moa no nitarika ny lanonana tamin’izany notronon’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rasolofonirina Beni Xavier sy ny Minisitry ny Fahasalamana ary ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, ankoatra ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny tafika Malagasy.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.