Actualités

ACMIL Antsirabe Mpiasa sivily iray matin’ny herisetra ?


  • Alarobia 07 Septambra 2022

Mpiasa sivily iray ao amin’ny Akademia Miaramila ( ACMIL) Antsirabe antsoina hoe: “Petit” no re fa namoy ny ainy, raha ny loharanom-baovao azo antoka omaly.

Andrasana izay mety ho fanazavana fanampiny ofisialy, fa raha ny loharanom-baovao hatrany, dia noho ny vono nataon’ny iray tamin’ny mpianatra vao nivoaka farany teo anivon’ny ACMIL no nahafaty azy, izay maty omaly atoandro. Voalazan’ny loharanom-baovao hafa fa noloarana tany an-tranony tamin’ny 3ora maraina izy io, izay mpahandro sakafo ao amin’ny ACMIL. Nangalatra solosaina na “ordinateur” ana manamboninahitra iray izy io, raha ny feo nandeha. “Tratra tany an-tranon'ilay olona ilay ordinateur, dia nataon-dry zalahy “règlement de compte”, ka novoin-dry zareo tao dia io niafara tamin’ny fahafatesana io. Izao dia terena milaza ny mpiasa hoe taitra tamin’ny zava-nisy dia nanao AVC (Accident Vasculaire Cérébrale” no nahafaty azy, kanefa ilay vono nahazo azy no nahafaty azy satria tato amin’ny “camp” ilay olona no novonoin-dry zareo, dia izao matahotra ry zareo na hilaza amin’ny fianakaviana aza", hoy ny loharanom-baovao tsy ofisialy. “Afenin-dry zareo ny fianakaviana ilay izy amin’izao, dia tadiavin-dry zareo terena ny mpiasa sivily hiaro ny tafika. Raha ny nampitaina, dia very ny ordinateur-n'ilay sous-lieutenant avy tamin’ny andiany faha-43”, hoy hatrany ny vaovao azo. Tamin’ny ora nanoratanay, tsy mbola sahy naka ny razana ny fianakaviana fa nandeha nametraka “plainte” tany amin’ny polisy, fa toa tsy nety nandray ireto fa hoe: apetraho any amin’ny zandary, raha ny loharanom-baovao vonjimaika. Andrasana ny fanazavana sy ny fampitam-vaovao ofisialy mikasika ity toe-javatra ity. Tena hivoaka ve anefa ny marina? Vao tsy ela ny raharaha Ikongo, ny raharaha Melaky nisiana mpitandro filaminana nihoa-pefy,… ary misy tranga hafahafa indray any amin’ny ACMIL Antsirabe. Andrasana ny fivoarany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT