Actualités

ACM – ASECNA –ARTEC Samy manadio tena avokoa


  • Talata 12 Janoary 2021

Ao anatin'ny ady amin'ny fanakorontanana nymari-drefy ampiasaina amin'ny

 

 

 

sehatry ny fitaterana anabakabaka, dia nisy ny sonia fifanarahana fiaraha-miasa teo amin'ny Aviation Civile de Madagascar (ACM), ny Agence pour la Sécurité de la Navigation Aérienne en Afrique et à Madagascar (ASECNA) ary ny sampan-draharaham-panjakana mifehy ny fifandraisana amin'ny teknolojia (ARTEC) ny 30 desambra lasa teo. Izany dia natao ho fanamafisana ny fiaraha-miasa teo amin` ny telo tonta sy ho famaritana ny andraikiny avy amin'ny famahana ireo olana amin` ny korontana sy ny fiarovana ireo mari-drefy matetika ampiasaina amin'ny sehatry ny anabakabaka. Ny marimarina kokoa, io fiaraha-miasa io dia natao hiarovana ireo mpitantana seranam-piaramanidina, ny kaompaniam-pitaterana anabakabaka sy maro hafa koa… « Faly manokana aho fa afaka nanamafy izao fiaraha-miasa amin'ny ACM sy ASECNA izao, io no ivon'ny dinidinika hatrizay nefa androany vao tratra. Resy lahatra aho fa ny fanaovan-tsonia an'ity fifanarahana ity dia hampihena be ireo olana mifandraika amin'ny fikorontanan'ny fahita matetika amin'ny fitaterana anabakabaka", hoy i Laurent Rakotomalala, Tale Jeneralin'ny ARTEC. Raha zohina ity fampitam-baovao avy amin` ny ARTEC omaly ity dia misy hifandraisany amin` ilay raharaha volamena 73,5kg. Sanatria io no fanazavana mahakasika ireo « caméra de surveillance» sy ny tsy niandry ny baikon` ny « tour de controle”teny Ivato araka ny vaovao niparitaka ny alahady lasa teo ? Marihana hatrany fa tamin` ny 30 desambra 2020 no natao io fifanarahana io kanefa omaly 10 janoary 2021 vao naparitaka amin`ny pejy ofisialin` ny ARTEC.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT