Araka vaovao mbola tsy ofisialy omaly, dia hijanona ao amin’ny fifaninanam-pirenena Divizionina voalohany (D1) any Bulgarie ny kapitenin’ny Barean’i Madagasikara Abel Anicet Andrianantenaina.
Ao amin’ny Levski Sofia no voalaza fa hanaovany sonia sy hilalaovany indray, taorian’ny fialany tao amin’ny Ludogorets Razgrad rehefa tsy nanohy ny fifanarahana intsony ity klioba nilalaovany 7 taona ity. Mitana ny laharana faha-9 ao amin’ny « First League » any Bulgarie moa ny Levski Sofia amin’izao fotoana izao. Tsy vaovao amin’ny fifaninanam-pirenena Bulgare I Anicet satria klioba faha-5 hilalaovany any io, raha tena ho raikitra tokoa. Efa nilalao tao amin’ny Tchernomorets Bourgas izy ny 2011, PFK CSKA Sofia ny 2012, PFK Botev Plovdiv ny 2013, ary Ludogorets ny taona 2014-2021. Tsikaritra ho nihena ny fahaiza-manaon’I Anicet tao amin’ny ekipam-pirenena ary nahazoany tsikera mivaivay, ka inoana fa hampiverina azy amin’ny laoniny ny fahitany klioba vaovao hilalaovana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.