Actualités

AAA Magro Behoririka Vita Malagasy ny 90%-n’ny entana amidiny


  • Alatsinainy 13 Jona 2016

Nifanotofana ny entana tao amin’ny tranombarotra AAA Magro Behoririka ny sabotsy 11 jona teo, andro voalohany nisokafany ho an’ny mpanjifa. Ny nivohan’ny toeram-pivarotana no ela dia nibosesika ny olona.

 

Tao ny liana hijery ny zava-misy, 7 taona aty aorian’ny nandorana sy nandroban’ny sasany an’ity orinasan’ny fianakaviana Marc Ravalomanana ity, maro koa anefa no tonga hanjifa mihitsy. Nambaran’ny tompon’andraikitra ara-barotra ao fa « vokatra vita malagasy ny 90%-n’ny entana amidy » ao. Naneho fankasitrahana ny fisokafan’ity tranombarotra ity indray mpanjifa, noho ny vidin’entana mirary sahaza ny kitapom-bolan’ny fianakaviana ao, ary koa noho izy manome vahana ny vokatra vita malagasy.

Voaporofo tamin’io sabotsy io ny vokatry ny tsapakevitra nataon’ny Agence Capsule ny herinandro lasa, milaza fa mankasitraka ny fisokafan’ny Magro ny 92%-n’ny Malagasy, noho izy hamorona asa, ary koa hampitombo ny safidin’ny olona, amin’ny fanjifana. Am-periny amin’ny fanarenana ireo masoivohon’ny Magro any amin’ny faritra ny filoha mpanorina ny orinasa Tiko, Marc Ravalomanana. Ny fahitany ny firodorodon’ny ny mpanjifa ny sabotsy teo sy io vokatry ny tsapa-kevitra nataon’ny Agence Capsule io ary ny firodorodon’ny olona nanatitra antontan-taratasy fangatahan’asa nandritra ny roa andro nandraisan’ny Tiko izany teny Ankorondrano, dia heverina fa vao mainka hampirisika azy hanafaingana ny famitana ny asa, hanokatra ireo Magro sy masoivohon’ny Tiko any amin’ny faritra. Efa nijery ny toerana nisy ny Magro tany Toliara Atoa Marc Ravalomanana ny herinandro lasa iny.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT