Efa miatrana ao Mahajanga avokoa ireo ekipazy 27 nisoratra anarana hiatrika ny ‘Rallye du Beony’ andiany faha-9 sady dingana faha-3 amin’ny fiadina ny tompondakan’i Madagasikara izay hatao any Mahajanga manomboka rahampitso alarobia 14 aogositra hatramin’ny sabotsy 17 aogositra.
Hampiavaka ity andiany 2013 ity rahateo ny halavan’ny fifaninanana izay hivalampatra mandritra ny efatr’andro. Tompomarika amin’ny fikarakarana hatrany moa ny Team Mika Faniry. Sedra manokana 12 no voalahatra amin’ity andiany faha-9 ity izay mahatratra 192,210km ny halavany ary tafakatra 364,240km miaraka amin’ireo fampitohizan-dalana. Somary vitsy ihany tsy araka ilay tanjona hametra ny mpifaninana ho 40 farafahabetsany moa ireo nisoratra anarana. Raha oharina tamin’ny andiany 2012 kosa anefa dia nisy fitomboana iray satria 26 ireo ekipazy nandray anjara tamin’ny taon-dasa. Saika tazana ao avokoa moa ireo sangany miady laharana sy anaram-boninahitra isak’ireo sokajy samihafa toa an’i Guiguibone sy Nat mitondra Mitsubishi EvoIX izay mitarika laha-1 vonjimaika nasionaly.
Isan’ireo hifaninana amin’ireo sedra manokana lalam-pasik’i Boeny koa ry Boom-Berthin mitondra Mitsubishi EvoX izay nahazo ny andiany faha-8 tamin’ny herintaona sady nisalotra ny ‘Rallye Dzama’ dingana faharoa nasionaly tany Antsirabe farany teo. Hifampitady any Mahajanga manomboka rahampitso koa ry Olivier sy Haingo miaraka amin’ny Subaru bory vody izay tompondaka nasionaly 2012, i Louvel-Teddy hanamory Mitsubishi EvoVI, Mathieu-Laurent hitondra Mitsubishi Evolution IX, ry Tahina sy Tahiana hanamory Subaru izay manjaka ao amin’ny sokajy M12 amin’izao fotoana ary ry Titi-MD hitondra Subaru. Hanamarika ity ‘Rallye du Boeny’ fanao any Mahajanga isaky ny fotoam-pialantsasatra ity koa moa ny fandraisan’anjaran’ilay Frantsay tompondakan’i Frantsa amin’ny fifaninanana amin’ny lalan-tany, Germain Bonnefis izay hiaraka amin’i Sitraka amin’ilay Clio RS fitondrany amin’ny Slalom iny.
Hiady eo amin’ny ekipazy lahy sy vavy miaraka kosa ry Guillot-Nivo hanamory Subaru sy Ndrianja-Fanja hanamory Subaru ihany. Ny tapakandro maraina avokoa moa no hizoran’ny fifaninanana mba afahan’ireo mpanaraka ny ‘rallye’ mamonjy moron-dranomasina ny tolakandro. Hiala ny torajofon’ny renivohitra mahazatra indray izany ity fifaninana ity fa haka rivotra kely any amin’ny tora-pasika.
Rasanda Serge
Ireo sedra manokana:
Alarobia 14 aogositra
2:28 (SS1) Belinta A1 – 22,860km
Alakamisy 15 aogositra
6:59 (SS2) Belinta B1 – 6,930km
7:13 (SS3) XT Must1 – 15,300km
9:45 (SS4) Circuit Ampitolova1 – 17,040km
12:28 (SS5) Belinta A2 – 22,860km
Zoma 16 aogositra
6:59 (SS6) Belinta B2 – 6,930km
7:13 (SS7) XT Must2 – 15,300km
9:45 (SS8) Circuit Ampitolova2 – 17,040km
12:28 (SS9) Belinta A3 – 22,860km
Sabotsy 17 aogositra
8:31 (SS10) Belinta A4 – 22,860km
11:28 (SS11) Belinta B3 – 6,930km
11:42 (SS12) XT Must3 – 15,300km
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.