Actualités

7 taona aty aoriana Hisokatra ny Magro Behoririka


  • Alarobia 04 Mey 2016

Hanamarika ity volana mey 2016 ny fisokafan’ny toeram-pivarotana Malagasy Grossiste (MaGro) eo Behoririka. Iray amin’ireo orinasa eo anivon’ny vondron’orinasa Tiko, an’ny fianakaviana Ravalomanana lasibatry ny fandrobana sy fandorana trano tamin’ny 26 janoary 2009 izy ity


. Tao ihany koa no toerana farany nifamotoanan’ny mpitaky ny fiverenan’ny ara-dalàna sy namaranan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana tamin’ny fomba ofisialy ny tolona.

Hiverina hisokatra ny Magro Behoririka, fito taona aty aoriana. Raha ny tetiandro re, dia ato anatin’ny tapabolana, amin’ny faran’ny herinandro ho avy io raha tsy misy ny fiovana, no hanoka-baravarana ho an’ny mpanjifa ity toeram-pivarotana anisan’ny nanana ny toerany teo amin’ny tsena sy fanjifana eto Madagasikara ity.

Hisy ny asa vaovao hiforona manaraka ity fisokafan’ny Magro Behoririka ity. Misy ny asa mivantana ho an’ireo hampihodina ny orinasa, fa eo koa ny asa an-tselika samihafa toy ny fitaterana sy ny famatsiana ireo entana hamidy ao anatiny, ankoatra ny vokarin’ny orinasa iray tarika aminy eo anivon’ny vondrona Tiko.

Famerimberin’Atoa Marc Ravalomanana ny fahavononany hitondra anjara biriky amin’ny fanarenana ny firenena izay latsaka ankaterena, ny vahoaka miaina anaty fahasahiranana lalina, ka endrika iray isehoan’izany fandraisany anjara izany ity fanokafana ny Magro Behoririka ity, izay ho santatry ny fisokafan’ireo orinasa hafa eo anivon’ny Tiko, hamerenana ireo asa an’arivony very taorian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009.


Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT