Actualités

67 ha sy ny manodidina Mitety sekoly ireo Afrikanina mpamatsy rongony mahery vaika


  • Zoma 26 Aogositra 2022

Lasa faritra mena amin’ny fiparitahan’ny rongony mahery vaika eny amin’ny 67 ha eny, kaominina Antananarivo renivohitra.

Raha araka ny vaovao azo mantsy dia lehilahy miisa 5 izay teratany Afrikana no sarona teny an-toerana ary fantatra fa tena mpanaparitaka izany. Paikady hampiasain’izy ireo ny fizarana maimaim-poana ity rongony mahery vaika ity amin’ireo tanora vao herotrerony toy ny mpianatra. Manatona sekoly mihitsy izy dimy lahy ireto manao izany asa ratsy famotehana olona izany ka rehefa tena zatra ireo ankizy mpianatra dia lasa mitady ilay rongony mahery vaika ho azy any amin’izy ireo. Misy mahavita mangalatra sy mambotry ireo Ray aman-dReniny mihitsy ny sasany manoloana izany. Manomboka eo amin’ny 150.000 Ar ka hatramin’ny 200.000 Ar mantsy ny mitsindrona indray mandeha amin’ireo karazan-drongony tena mahery vaika ho an’ny tanora iray raha araka ny fanadihadiana natao, izay tena hahazoan’izy dimy lahy ireo volabe tokoa. Raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo iray anefa dia mety hahalasa adala ny fifohana na ny fitsindromana zava-mahadomelina ho an’ny tanora mpianatra iray. Mihamifintina mantsy ilay ati-doha ka mety tsy hahavita ny fianarany intsony izy ireny. Miteraka korontana eny anivon’ny fiaraha-monina ihany koa ny fisian’ireo tanora manao izany ka anisan’ireny ireo mitabataba sy miteny ratsy amin’ny alina, feo tsy azon’ny mpifady henoina fa tena mamohehitra tokoa….Ho an’ireo te ho afaka amin’izy ity koa anefa dia amam-bolana maro mihitsy ny fitsaboana tsy maintsy hatao, arahina tohana ara-tsaina izay handanian’ny Ray aman-dReny an-tapitrisany maro mihitsy ho an’ny tanora mpianatra iray.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT