Actualités

67 ha Atsimo Vehivavy iray nahatrarana rongony


  • Alarobia 24 Novambra 2021

Vehivavy iray 41 taona no saron’ny polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP7 teny amin’ny faritra 67ha Atsimo iny ny zoma 19 novambra teo. Raha araka ny fantatra dia nahatratrarana rongony io vehivavy io izay tao an-tranony mihitsy.

 Manoloana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina eny amin’ny faritra 67ha sy ny manodidina iny dia tsy mitsahatra manao fanadihadiana ny Polisy entina hikarohana ireo olon-dratsy minia manaparitaka izany. Nahitam-bokany ny fanadihadiana sy ny fitsirihana natao araka izany. Tokony ho tamin’ny 06 ora sasany hariva moa no niditra tamina tokatrano iray efa narahi-maso ary fantatra fa toeram-pivarotana rongony eny 67ha atsimo ny Polisy. Io vehivavy io no tompon-trano izay tratra niaraka tamin’ny rongony miisa 10 fonosana. Nosamborina avy hatrany ity farany ary tamin’ny fanadihadiana natao taminy dia niaiky ny heloka vitany ity vehivavy ity. Efa natolotra ny fampanoavana ny anaovavy ary naiditra am-ponja vonjimaika.

Pati
Legende : Ity ilay Ramatoa mpivarotra rongony

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT