Actualités

67 ha Atsimo Raikitra ny sakoroka, nirefotra ny lakrimozena


  • Alarobia 23 Novambra 2022

Raikitra ny sakoroka tetsy 67 ha Atsimo omaly. Mikasa hanangana trano eo amin'ilay antsoin’ireo fokonolona hoe Tahala maitso na "Espace vert" ao afovoan'ny tanàna na “Cité”

ny tompon'ny sampam-panabeazana tsy miankina amin’ny fanjakana iray ka notoherin'ny fokonolona izany. Nahangona sonia maherin’ny 300 isa ny marainan’ny savorovoro fotsiny ny fokonolona manodidina, raha fampahafantaran’izy ireo teny an-toerana. Nanazava moa ny solontenan’ireo fokonolona fa misy fitaovana toy ny bizo izay fivarinan'ny rano ao ambanin'io toerana io no sady efa nifanarahan'ny fokonolona fa toerana tsy azo hanorenana. Efa fanindiminy amin'izao, hoy izy ireo, no nisy olona nikasa hanangana teo amin'ity toerana ity saingy tsy nahavita nanohy noho ny fandavan'ireo mponina. Manahy izahay, hoy hatrany ny solontenan’ireo mponina, fa misy kolikoly ao ambadiky fanomezana alalana hanorina amina toerana toy izao. Nilaza kosa ny mpitantana ilay toeram-panabeazana izay mikasa hanao fanorenana eo amin’ity toerana ity fa novidiany tamin'olona io tany io ary nahazo alalana na "autorisation" tamin'ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra izy amin'io fananganana kasainy atao io. Sekoly no ambony ary atao tokontany filalaovan'ny mpianatra ao ambany, hoy izy. Araka ny fampitam-baovao voaray farany moa dia niafara tamin’ny fanaparitahan’ny mpitandro filaminana ny fitangorongoronana tamin’ny alalan’ny baomba mandatsa-dranomaso ny savorovoro teny an-toerana, omaly tokony ho nanomboka tany amin’ny 2 ora sasany tolakandro tany ho any.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT