Actualités

5S Lakilen’ny fahombiazan’ny Japoney


  • Alarobia 21 Martsa 2012

Sivanina, Sokajiana, Sasana, Soratana, Saintsainina, ireo no “5S” nampiasain’ny Japoney nahatonga ny fandrosoany sy ny fanatsarany ny fomba nitantanany ny fiainana andavanandro, indrindra ny teo anivon’ny fahasalamana sy ny fandraharahana ara-barotra.

 Ampitain’ny Japoney amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa JICA ity “5S” ity, mba entina hanatsarana ny fitantanana sy ny fomba fiasa ary ny fandraisana ny marary eo anivon’ireny hopitalibe ireny. Misy noho izany ny atrikasa atao mandritra ny hateloana, izay hifarana anio alarobia ao amin’ny trano fandraisam-bahiny “IM-Mada” Toamasina, izay iarahan’ny mpitsabo miankina sy ny tsy miankina ary ireo mpitantana ny hopitaly be Analanjirofo sy Atsinanana. Mitondra ny traikefany kosa ny hopitalibe ao Fianarantsoa anisan’ny nampiharana ny “5S” nandritra ny andrana taorian’ny hopitaliben’i Mahajanga. Araka ny fantatra dia efa CSB miisa 14 nampiharana azy eran’ny nosy. Raha ny tantaran’ity fomba fiasa “5S” ity dia ny fihaonana niarahan’i Afrika-Azia natao ny taona 2005 no nandraisan’i Japon fanapahan-kevitra hanaparitaka azy ity aty Afrika, entina hanatsarana sy hampivoarana ny fomba fiasa eo anivon’ny fitsaboana ny vahoaka afrikanina no tanjona. Firenena afrikanina miisa 15 izao no ampiharan’ny JICA ny “5S” aty Afrika. Ny taona 2007 no nanaovana andrana voalohany ny hopitaliben’i Mahajanga ny teto amintsika. Ny minisitry ny fahasalamana Ndahimananjara Johannita sy ny lehiben’ny Faritra Mahavimbina Alain no nanokatra ny atrikasa mikasika ity fomba fiasa japoney “5S” ao Toamasina ity.
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT