Tamin’ny taona 1962 no nanomboka nisy nipetraka ny trano teny Analamahitsy-Cité Antananarivo Firaisana faha-5.
Te hahatsiaro sy hanamarika izany vanim-potoana izany ny mponina eny amin’io Fokontany io, indrindra ireo tompontrano. Feno 50 taona amin’ity taona 2012 ity tokoa mantsy ity Fokontany iray ity. Efa nanana paik’ady amin’izany vanim-potoana izany sahady ireo mpomba ny fitondrana ankehitriny raha vao niandoha ny taona 2012 ka ny fanatanterahana azy sisa andrasana. Efa nisy mihitsy aza fivoriana tany amin’ny takotakona tany ho fiatrehana izany sy namolavolana ny tanjona tiana hotratrarina amin’ny fankalazana ny faha-50 taona. Mikasika izay indrindra no tsy mampitovy hevitra ny mponina ao Analamahitsy–Cité. Kajikajy politika ny an’ny hafa ary fitiavana ilay tanàna nonenana hatry ny ela kosa ho an’ny sasany.
Ireo olona madio fo tsy mahalala izay paipaika politika any kanefa te handray anjara amin’ny fakalazana ny faha-50 taona dia re fa nomena andraikitra tsy dia manao ahoana fa ny ankamaroany dia voasakantsakana. Azo heverina sahady fa mety hizara roa ny fomba entina mankalaza ny faha-50 taona ao amin’ny Fokontany Analamahitsy-cité. Maro rahateo ny olona tsy tia hatao tohatra fiakarana ara-politika. Re siosio mantsy fa misy olona ao anatin’ny mpikarakara no hilatsaka hofidiana amin’izay fifidianana ho avy eo, hany ka manomana hetsika mba ho hitan’ny olona.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.