Raha ny filazan’ny tompon’ireo fiara 4x4 Hyundai Santa Fe miisa 350 ireo nihitsoka tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina nandritra ny fampielezan-kevitra fihodinana faharoan’ny fifidianana ny filoham-pirenena ny taona 2013 nivalona, ny “JP Trading” dia hatolony ny filoham-pirenena lanim-bahoaka ireo fiara saika nomeny nampiasain’ny Jly Camille Vital, hampiasaina amin’ny fitondrana ny filaminana sy hampiasain’ny filoha amin’izay mety ilany azy ihany koa. Tsy nilaza ny fanolorana ity fiara ity ny filoha tamin’ny fandalovany tao Toamasina, fa ny tsikaritra fotsiny dia nisy ny fihodinany tamin’ny fiara nijery ireo 4x4 ireo nialoha ny nivoahany ny seranan-tsambo. Nandritra izany no nahitana teknisianina samy hafa nijery ny moteran’ireto fiara ireto. Nisy koa ny fanaovana andrana ireo fiara noho izy ireo efa nihitsoka ela tao, vokatry ny resaka politika teo amin’ny Jeneraly Camille Vital sy ny ekipan’Ambohitsorohitra tao anatin’ny tetezamita. Araka ny angom-baovao voaray dia nisy ampahany tamin’ireo fiara ireo no niala tao amin’ny seranan-tsambo ary nakarina eto Antananarivo ny zoma hariva sy ny sabotsy teo. Tsy fantatra mazava ny isan’ireo efa nalaina ireo, fa ny loharanom-baovao no nahalalana fa an-jatony no niala teo amin’ny toerana malalaka nitobiany teo anivon’ny tany malalaka ny SPAT tantanan’ny SMMC mpisahana ny entana misaritaka sy “parc automobile” eo anivon’ny seranan-tsambo.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.