Saika havoaka tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny 75 tamin’ireo 4x4 Hyundai Santa fe miisa 350 voalaza fa an’ny jeneraly Camille Vital saika hampiasainy tamin’ny fampielezan-kevitra saingy voageja tao noho ny resaka mifamahofaho. Nivoatra moa ny raharaha rehefa nisy filoham-pirenena voafidy fa hoe natolotry ny tompony an’ity farany hampiasaina amin’izay heverina fa mahamety azy ny fiara. Nanomboka novelomina ireo fiara ireo tamin’ny fitsidihana nataon’ny filoha tany Toamasina herinandro lasa izay. Io omaly io no nokasaina havoaka ny andiany voalohany miisa 75 saingy re nisy olana satria hoe tsy nisy taratasy mazava hamoahana azy na “bon de sortie” ka nosakanan’ny ladoany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.