Nankalaizana ny alarobia 19 martsa 2014 teo ny faha-30 taona niorenan’ny OMDA (Office Malagasy des Droits d’Auteurs). Ho fanamarihana io tsingerintaonan’ity ofisy malagasy miaro ny zon’ny mpamorona io dia nisy ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny OMDA sy ny MVola. Nanomboka tamin’io andro izany dia afaka mampiasa ny MVola ihany koa ireo mpanakanto Malagasy eo amin’ireo karazana fifanakalozana ara-barotra rehetra. Mpisolovavan’ny olom-pirenena amin’ny fiainana andavanandro, hanafa-pahasahiranana ireo artista miisa 6.800 tokoa ny fampiasana ity tolotra ity amin’ny fahazoan’izy ireo ny zon’ny mpamorona. Nandritra ity fifanaraham-piaraha-miasa ity no nanazavan’ny tompon’andraikitry ny MVola tamin’ireo mpanakanto ireo tombony amin’ny fampiasana azy toy ny fahatsorany, ny hafainganany ary ny filaminana.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.