Actualités

3 lahy nanao ny trafikam-bolamena «Na ho aiza na ho aiza tsy maintsy miverina eto”


  • Alatsinainy 22 Martsa 2021

Ny andro nivoahan’iny dia 31 desambra, niniana natao satria teo no neritreretina hoe tsy miasa ny minisitra, ny filoha,…

 

 

Ny resaka fiaingana iraisam-pirenena tahaka ireny dia eny Ivato fa tamin’iny tany Toliara vao natao ny pitsopitsony rehetra. Tsy fanao mihitsy, ary n any Filoha aza dia eto Antananarivo no atao ny “formalité”. Efa nanome baiko aho hoe na iza na iza dia tsy handeferana, hoy I Andry Rajoelina. Nilaza ho efa niteny tamin’ny ekipany hoe jereo io, fa raha tsy tafaverina eto, dia “echec” na tsy fahombiazana ho an’ny minisitra Tompon’andraikitra sy ny Fanjakana. Ny tanjona dia ny famerenana ny volamena sy ny fanakatonana dosie. Efa notorian’ny Fitondrana Malagasy ilay orinasa Parpia Gold izay nividy entana antsokosoko. Hisy fanesorana minisitra tompon’andraikitra ve raha toa ka hiharihary ary ny tsy fahombiazana ao anatin’io fanamby famerenana io? Nanao izay ho afany ilay orinasa, fa ny tsy fantany dia nitory ny Fanjakana. Na aiza na aiza alehany, dia tsy maintsy miverina eto Madagasikara ireo telolahy ireto, hoy Andry Rajoelina. Miandry ny hiveren’izy telolahy mba hoentina eo anivon’ny tribonaly izy telolahy. Betsaka ny mpandraha tsy mamerina ny “devise”; ny olona rehetra nanondrana volamena tao anatin’ny 5 taona lasa dia tsy nampody ny vola avokoa. Nojerena daholo ireo mpanondrana. Misy orinasa nanondrana 714kg tamin’ny volana mey 2019, misy orinasa nanondrana 1 taonina mahery,… Tsy hamelan’ny fitondram-panjakana io, ary tsy maintsy hatao ny “rapatriement de devise”. Izaho no sahy nilaza voalohany indrindra tamin’ny Malagasy hoe ireto orinasa ireto ny manondrana sy tsy mamerina vola. Diso ny filazana fa misy mpitondra, raha misy izany dia manao taratasy ara-dalàna fotsiny izy dia mivoaka malalaka, fa matoa tratra ity dia antsokosoko, hoy i Andry Rajoelina.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT