“Tolom-panafahana 1947, hambom-po sy fitiavan-tanindrazana” no lohahevitra noraisina tamin´ity faha-65taona nahatsiarovana ny 29 martsa 1947 ity, ka samy nampiseho izany avokoa ny rehetra tao Toamasina.
Nahitsy sy nivantana ny kabary nataon´i Alain Mahavimbina, lehiben´ny Faritra Atsinanana, nilazany fa “isika Malagasy dia olona mahay mody mihavana, nefa tsy izany akory ny tena ao an-tsaina fa ny hifamingana sy hifanaratsy fotsiny”. Ny PDS-n’ny Kaominina Toamasina, Toalina Zafindrabary, indray tetsy ankilany somary nandamina ka nilaza fa “lesona tsara alain-tahaka ny zava-nisy 65 taona lasa. Ny lasa mantsy tsy fanadino ary tsy atao filamatra hatrany mba ho tena hisy sy misy marina ny fitiavantsika ity nosy tanindrazantsika ity”. Nasiaka fiteny kosa ireo akanga sisa nanamboran´ny tolom-panafahana. “Tsy izao famiravirana ny tanindrazana sy fampahantrana izao no nitolomanay”. Nomarihan´izy ireo hatrany koa fa tsy misy mpahita ny mpitolona raha tsy amin´ny fotoana fankalazana tahaka izao ihany. Enina tamin’izy ireo no notolorana ny mariboninahi-pirenena omaly dia i Soa Marie, Tsafehy Jules kaia, Mahefa Samuel, Menavava Celestin, Tampona ary i Tombo.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.