Actualités

20 taona lasa izay Nijoro ny onjampeo tsy miankina voalohany


  • Talata 02 Aogositra 2011

Feno 20 taona amin’ity 2011 ity no nijoroan’ny onjam-peo tsy miankina voalohany teto Madagasikara rehefa foana ny sivana ka niroso tamin’ny fanalalahana ny haino aman-jery.

 Raha iverenana kely ny tantara dia ny 3 aogositra 1991 no nandefa fandaharana voalohany ny Radio Feon’ny Vahoaka (RFV) ka ny tolon’ny Herivelona teo amin’ny Kianjan’ny 13 mey no nampitaina tamin’izany. Mpiasa teo anivon’ny radiom-pirenena nanana ny naha izy azy tamin’izany fotoana dia Atoa Raliarison Jean Victor no feo nahafantarana ny RFV. Nisy ihany koa avy eo ny mpanentana hafa, toa an-dry Daniel Ramaromisa sy ny mpanao gazety ary mpanao politika maro tsy voatanisa. Tsy nijanona teo amin’ny Kianjan’ny 13 mey ny RFV fa nahazo trano tao amin’ny Building Ramaroson Soarano ary nitoetra maharitraritra tao ihany. Azo ambara fa anisan’ny hery lehibe nahatafita ny tolona tamin’ny 1991 ka nampirodana ny Repoblika faha-2 ny fisian’ny Radio Feon’ny Vahoaka satria foana hatreo ny sivana, mivantana na an-kolaka nampalaza ny fitondrana tamin’izany fotoana. Nahazo vaovao marina sy ao anatin’ny fotoana faran’izay haingana ny olona teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Ampy nampiova ny toe-draharaha izany satria Antananarivo hatrany moa ara-tantara no niaingan’ny fanovàna sy ny hetsi-bahoaka eto amintsika. Namaky lay tamin’ny fijoroan’ny onjam-peo tsy miankina ny RFV ary taty aoriana tamin’izany taona ‘90 izany ary dia nihazakazaka ny fitomboany.

Tsaroana etoana koa ny Radio Tsioka Vao niasa mafy tamin’ny famerenana ny amiraly Ratsiraka, ny Radio Korail, ny RLI anisan’ny onjampeo tsy miankina zokiny indrindra izay mbola mijoro sy mandeha tsara amin’izao fotoana. Tandra vadin-koditra tamin’ny politika sy ny tantaram-pirenena nanomboka tamin’ny 1991 ny onjam-peo tsy miankina. Ny Radio Tsioka Vao no nivoy ny fanohanana ny amiraly Ratsiraka ka nahatafaverina azy teo amin’ny fitondrana indray tamin’ny 1997. Tonga ny 2001 – 2002 nitranga indray ny olana ara-politika noho ny voka-pifidianana. Natanjaka ny serasera nataon’i Marc Ravalomanana sy ny ekipany tamin’ny alalan’ny MBS radio sy fahitalavitra. Ny 2007 indray dia nipoitra ny VIVA Radio sy TV nanosika mafy an’i Andry Rajoelina izay voafidy ho Ben’ny tanànan’Antananarivo aloha, ary avy eo lasa filohan’ny FAT.

Ireo onjampeo nanohana firehana politika ireo dia niara-potika sy may tamin’ny olona notohanany ary mijanona ho tantara sisa. Manantena kosa anefa ny maro fa mba efa nahazo lesona tamin’ny tantara ny rehetra ka hahay handanjalanja ny zavatra ambara sy tenenina amin’ireny onjampeo ireny satria sady manavotra no mety manapotika ny filazam-baovao sy ny serasera. Azo ambara hoe anisan’ireo firenena ahitana haino aman-jery maro i Madagasikara, ary na dia mitaraina noho ny tsindry bokotra sy ny teritery na fanagadrana mihitsy aza ny mpiasan’ny serasera sy ny mpanao gazety, ary na dia tsapa ihany koa aza fa mbola misy ihany ny tsy fahamatorana amin’ny fanatanterahana ny asa ka ilana fianarana sy fanofanana, dia hita fa manana anjara toerana goavana amin’ny fiarahamonina sy ny fiainan’ny firenena amin’ny ankapobeny ny onjam-peo sy ny fahitalavitra ary ny gazety an-tsoratra izay maro karazana azo isafidianana tsara mihitsy ankehitriny na mahery fitsoka koa aza ny teknôlôjia vaovao.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT