19 aogositra

> Andro maneran-tany ho fanampiana ny mpiara-belona


  • Talata 20 Aogositra 2013

Nanomboka ny taona 2003 no tsarovana isan-taona ny datin’ny 19 aogositra ho andro maneran-tany hanampiana ny mpiara-belona ka tsaroana manokana amin’izany ireo olona an-tapitrisany manerana izao tontolo izao mirotsaka an-tsitrapo. Nifanojo indrindra tamin’ny fivoriambe momba ny asa fampihorohoroana nitranga tany Bagdad, renivohitr’i Irak namoizana ain’olona 22 izay notanterahana tao amin’ny foiben’ny Firenena Mikambana tao New York no nahatonga ilay safidin’ny 19 aogositra 2003.

Tanjona goavana tian’ny Firaisa-monina Iraisam-pirenena hapetraka ary ho fomba fijery itovizana maneran-tany mantsy ny fandraisana anjaran’ny daholobe amin’ny fanampiana ireo manodidina azy. Tafiditra ao anatin’ity andro maneran-tany ho fanampiana ny mpiara-belona ity ohatra ilay fifanarahana vita sonia teo amin’ny governemanta Malagasy sy ny Banky Afrikanina momba ny Fampandrosoana ary ny sampandraharaha misahana ny reny sy ny zaza eo anivon’ny Firenena Mikambana hanolo-tanana ireo mponina any atsimon’i Madagasikara izay traboina noho ny fandalovan’ny rivodoza Haruna tamin’ny volana febroary 2013 lasa teo. Mitentina 2,17 arivo tapitrisa Ariary ity fanampiana ny mpiara-belona any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy ity. Harenina ao anatin’ny famatsiam-bola ny fanamboarana ireo efitrano fianarana miisa 20, tobim-pitsaboana fototra miisa 3 miampy trano fivoahana sy dobon-drano, ireo kojakoja sy fitaovana ilaina amin’ny fampianarana sy ny toeram-pitsaboana, sakafo milanja 148 taonina ho an’ireo mararin’ny raboka sy ireo fianakaviany ary ny fanomezana ireo lay misy odimoka maharitra miisa 23.500. Ankizy mihoatra ny 1.240 indray, araka izany, no hiverina hianatra an-tsekoly raha mpiray tanindrazana maherin’ny 30.000 ihany koa no afaka hitsabo tena noho ity asa fanasoavana ny mpiara-belona ity.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT